FANATANTERAHANA HETSIKA LEHIBE MIISA TELO
Ny 18 Jona 2026 no notanterahina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ireo hetsika lehibe telo natao tao amin’ny Faritra Ambatosoa, Maroantsetra, dia ny Varavarana Misokatra, ny Fanomezan-drà, ary ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Faingosela na Drépanocytose.
Ny lanonana dia notarihin’Andriamatoa Préfet-n’i Maroantsetra sy Andriamatoa Médecin Inspecteur, Docteur RALAY Tiana Yves, niaraka tamin’ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila maro.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nohamafisina ny maha-zava-dehibe ireo hetsika ireo, indrindra ny fanentanana sy fanazavana ny fepetra takiana amin’ny fanomezan-drà, izay mialohavan’ny fizahana ara-pahasalamana mba hiantohana ny fahamendrehana sy ny fiarovana ny mpanome sy ny mpandray rà.
Ny hetsika Varavarana Misokatra kosa dia natao hampahafantarana ny vahoaka ireo tolotra ara-pahasalamana misy ao amin’ny Hôpitalin’i Maroantsetra, sady hanamafisana ny fifandraisana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpiasan’ny fahasalamana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : SDSP MAROANTSETRA 19-juin-2026