Fijerena ny maha-olona
FIFANARAHANA NY AMIN'NY HO AVY (PACTE DU FUTUR)
New-York, 26 Septembra 2024 Fanamafisana ny fiaraisan-kina (Unpacking the Pact of the Future: Realizing Potentials and stregntening social cohesion”)

Ankehitriny izao tontolo izao dia miatrika ny ady amin'ny fahantrana, ny tsy fitoviana, ny fifandirana ary ny fiovaovan’ny toetr'andro.
Lalan-tsaina iray ny fanomezana lanja ny maha-olona, indrindra ny vehivavy sy ny tanora, mba hananganana fiaraha-monina afaka miarina.
Isan’ny lalana iray ahafahana miroso amin’ny fandrosoana ny fanajana ny tontolo iainana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana , izay ahafahana mahazo ny « dividende démographique » izay imasoan'ny Fitondram-panjakana tarihin'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA sy Andriamatoa Praiministra NTSAY Christian
Lalana entina miady amin'ny olana ara- tsosialy ny fanajana ny zo sy ny hasin’ny tsirairay.
Nandray anjara feno tamin’ny fifanakalozan-kevitra momba izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo naneho ny hetsika tokony hamafisina ho fiarovana ny ara-tsosialy, hisorohana ny fanavakavahana ary hanafaingana ny fahafahan'ny tanora, indrindra fa ny tovovavy. Eto Madagasikara dia tanora latsaky ny 25 taona ny antsasaky ny mponina mahery, koa ny fijerena ny fahasalamana ara-pananahana ho azy ireo mba hisian’izay fandrosoana milamina izay no isan’ny lahadinika tamin’izany.
Marihina fa nikarakara izany ny iraka maharitra ny Repoblika Albania, iraka maharitra Italia amin'ny Firenena mikambana, UNFPA.
Andry lehibe amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny tsy fitoviana ny fanatsarana ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana.
---------------------------#Ny_Ministeran_ny_fahasalamam_bahoaka_eo_anilanao_hatrany
SCM/DIRCOM 28-sept.-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...