MPIASAN’NY FAHASALAMANA MAHAY SY VOAOFANA TSARA, ANTOKY NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA LANCEMENT DU PROJET COMPOSANTE À L’APPUI DE LA FORMATION CONTINUE – BUREAU RÉGIONAL DE FORMATION

Mba hahafahan’ny vahoaka Malagasy misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy mendrika, dia manohy hatrany ny ezaka fanavaozana sy fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny Groupe SOS SANTÉ SUD sy EXPERTISE FRANCE. Ao anatin’izany indrindra no omena lanja manokana ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny alalan’ny fampiofanana mitohy ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana, satria izy ireo no fototra iankinan’ny kalitaon’ny fitsaboana omena ny vahoaka.

Marihina fa ny SANTÉ SUD dia efa am-polony taona maro no miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka ary mijanona ho mpiara-miombon’antoka akaiky amin’ny Minisitera hatrany.

Tsy ny foto-drafitrasa sy ny fitaovana ara-teknika ihany no mamaritra ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana, fa indrindra ny fahaiza-manao sy ny fanavaozam-pahalalana ananan’ireo mpiasan’ny fahasalamana, izay manompo ny vahoaka isan’andro.

Efa natomboka ny dinika sy fifampidinihana nametrahan-drafitra stratejika ho fanatsarana ny fitantanana ny fampiofanana mitohy ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana. Tanjona amin’izany ny fananganana rafitra maoderina sy mahomby ahafahan’ny mpiasa mahazo fiofanana mifanaraka amin’ny filàny sy ny fenitra iraisam-pirenena, mba hahafahana mamaly hatrany ny filàn’ny mponina sy ny fivoaran’ny sehatry ny fahasalamana.

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny Composante à l’appui au Bureau Régional de Formation, izay hiainga avy amin’ireo Birao Isam-paritra misahana ny Fampiofanana (BRF), ka hanaraka ny rafitra efa misy. Ny Faritra Analamanga sy Betsiboka no hisitraka voalohany ity fandaharanasa ity.

Nanome voninahitra sy nitarika ny fotoana Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Loharanon-karena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ny solontenan’ny SANTÉ SUD, ireo mpiara-miasa ao amin’ny Minisitera, ary ireo mpiara-miombon’antoka.

Miara-dia akaiky amin’ny vahoaka hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fananganana rafitra ara-pahasalamana maoderina, mahomby ary maharitra, ho fitsaboana mendrika ho an’ny Malagasy rehetra.

Zava-dehibe entin’ity tetikasa ity:

  • Fampiofanana mitohy sy manaraka ny fenitra ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana
  • Fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fampiofanana sy fitantanana, indrindra ho an’ny toerana lavitra sy saro-dalana
  • Fanamafisana ny andraikitry ny BRF manerana ireo faritra iantombohana
  • Fanarahana ireo fenitra iraisam-pirenena momba ny fahasalamana
  • Fanatsarana maharitra ny kalitaon’ny fitsaboana ho an’ny vahoaka

Ho fahasalamam-bahoaka tsara kalitao, maharitra ary manakaiky ny vahoaka hatrany.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. 19-juin-2026