NY FAHADIOVANA NO ANTOKY NY FAHASALAMANA
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara dia nanatanteraka hetsika fanadiovana faobe ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana, ho fanamafisana ny kolontsain’ny fahadiovana sy ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny fandraisana andraikitra manoloana ny tontolo iainana.
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, izay nanatanteraka ny hetsika teny amin’ny Kaominina Ambohitrimanjaka.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nanentana Ramatoa Minisitra fa ny firaisankina dia efa fanehoana ny fitiavan-tanindrazana indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Asaramanitra izao.
Nohamafisiny ihany koa fa anisan’ny fototra iankinan’ny fahasalamam-bahoaka ny fahadiovana, satria ny tontolo madio dia manampy betsaka amin’ny fisorohana ny aretina sy ny fanatsarana ny fahasalaman’ny rehetra.
Niantso ny fandraisana andraikitry ny tsirairay Ramatoa Minisitra, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao, mba hitandrovana manokana ny fahadiovana sy ny fiarovana amin’ny sakafo hohanina, ka hisafidianana sakafo madio, azo antoka ary ara-pahasalamana. Aleo misoroka toy izay mitsabo.
Nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana fanadiovana ho an’ny Kaominina Ambohitrimanjaka, ahitana kifafa, borety ary angady, ho fanohanana ny ezaka fanentanana sy hanohizana ny hetsika eny ifotony.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 20-juin-2026