EO ANILAN’IREO MARARY SY NY FIANAKAVIANY NY FITONDRAM-PANJAKANA FANAVAOZANA AMIN'NY ALALAN'NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Manoloana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo izay nahazo olom-pirenena maro, dia tonga nijery ny zava-misy sy nanara-maso akaiky ny fandraisana an-tanana ireo marary tao amin’ny CHUJRA Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira notronin'ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga ary tao amin'ny CHU Anosiala amin'ny alalan'Andriamatoa Talen'ny Kabinetra.

Tsy mijanona amin’ny fanaraha-maso ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa manatona sy mihaino ireo marary, ireo fianakaviana mpiahy ary indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana eny an-kianja. Tao anatin’ny fitsidihana dia nitondra teny fampaherezana ho an’ireo marary miisa eo amin'ny 34 ny ao amin'ny CHUJRA ary eo amin'ny 33 isa eo ny ao amin'ny CHU Anosiala, i Ramatoa Minisitra, sady nanome toky fa manaraka akaiky ny toe-draharaha mba hahazoan’ny tsirairay ny fitsaboana sahaza azy. Nanambara izy fa ho raisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana avokoa ny fitsaboana azy ireo sy ny sarany aterak'izany.

Naneho fankasitrahana manokana ihany koa izy ho an’ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana izay miasa andro aman’alina, tsy mandry andro tsy mandry alina, manolo-tena amin’ny famonjena aina sy fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Izay hery mangina mijoro eo anoloan’ny adidy amin'izao sedra sy fotoan-tsarotra lalovany ny vahoaka izao.

Efa voaray an-tanana avokoa ireo marary ary harahana akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’izy ireo. Mifanome tanana ny ekipa mpitsabo rehetra mba hiantohana ny fikarakarana haingana sy mendrika ireo marary.

Nanentana ny rehetra Ramatoa Minisitra, ny ho hentitra amin’ny fikajiana fatratra ny fahadiovana eo amin’ny fikarakarana ny sakafo.

 

Eo anilan’ny vahoaka hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, manakaiky ary mandray andraikitra ho fiarovana ny aina sy ny fahasalaman’ny Malagasy. Hita teny an-toerana ihany koa nanotrona ireo marary Ramatoa Ben'ny Tanana Ambohibao Antehiroka, nijoro vavolombelona izy, fa tsara fandray sy fikarakarana ireo marary ireo. Efa betsaka ny manomboka efa mahazo aina amin'izao fotoana izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : LUTv Madagascar - CHU ANOSIALA. 22-juin-2026