HAZAKAZAKA HO AN'NY FAHALEOVANTENA
Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy, dia notanterahina androany ny Hazakazaky ny Fahaleovantena, niainga teo amin’ny Coliseum Analamahitsy ary nifarana teny amin’ny Kianjan’Alarobia, narahin-dalao ara-panatanjahantena ny fotoana ka nanokatra izany tamin'ny ady baolina kitra, ny lalao ara-pirahalahiana, ny ekipan'ny Prezidansa sy ny Governemanta nifanehatra tamin'ny ekipan'ny Hery Fiarovana sy Filaminana (FDS).
Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izao hetsika izao ireo mpiasan’ny fahasalamana, notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Maneho ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra amin’ny fanompoana ny vahoaka ary ny fitiavan-tanindrazana ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ity hetsika ity.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 23-juin-2026