MADAGASIKARA MANAMAFY NY HERINY EO AMIN’NY SEHATRA ARA-PAHASALAMANA : AFRICA HEALTH ExCon 2026

Madagasikara dia nandray anjara tamin'ny fomba ofisialy tamin’ny "Africa Health ExCon 2026", hetsika goavana nampivondrona ireo tompon’andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ireo mpisava lalana amin’ny fanavaozana, ireo mpanapa-kevitra ara-politika ary ireo manampahaizana avy amin’ny lafivalon’i Afrika sy maneran-tany.

Ny delegasiona malagasy, notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, dia nandray anjara feno tamin’ny lanonam-panokafana, ny fampirantiana, ny fivoriana ara-lohahevitra ary ireo fihaonana roa tonta.

Ny fandraisana anjara an'i Madagasikara dia maneho mazava ny finiavany hanamafy sy hanitatra ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, indrindra eo amin’ny famokarana ireo vokatra ara-pitsaboana sy ny mahasahana ny resaka fanafody.

Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ny vina lavitr’ezaka hananganana rafitra ara-pahasalamana matanjaka, mahaleotena ary maharitra, ho fanasoavana sy ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DAMM 24-juin-2026