MANAMAFY NY FIFANAKALOZANA SY NY FIARAHA-MIASA IRAISAM-PIRENENA I MADAGASIKARA

Tohin'ny fandraisan'anjaran'i Madagascar amin'ny hetsika "Africa Health ExCon 2026" notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira.

Natao ny fitsidihana dia hita taratra ny fandrosoana sy ny hika farany indrindra raha ny resaka fitsaboana no resahana amin'ireo teknolojia ara-pitsaboana sy ny fitaovana. Nisy koa ny fifanakalozan-kevitra tamin'ireo manam-pahaizana, ny orinasa mpamokatra ary ireo mpiara-miombon'antoka izay miray hina amin'ny fanovana ny rafi-pahasalamana sy ny tontolon'ny fitsaboana.

Rehefa nandroso ny fifanakalozan-kevitra dia nisy faharesen-dahatra iray nanjaka fa : ny Fanavaozana sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena dia fitaovana tena ilaina amin'ny fananganana rafi-pahasalamana mahomby, mahatohitra ny mety hitranga ary maharitra.

Ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny tsirairay, ny teknolojia aseho, ary ny mety ho fiaraha-miasa rehetra dia mandray anjara amin'ny fananganana ny tanjona iombonana : ny ho avy izay ahitana ny fahasalamana vokatry ny fahaiza-manao, ny fanavaozana ary ny fiaraha-miasa mafy orina, ho fanompoana ny vahoaka Afrikana sy ny vahoaka Malagasy indrindra indrindra.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : DAMM 24-juin-2026