MIASA HO AN’NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA, MIKAROKA VAHAOLANA MAHARITRA HO AN’NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA

Raha ny fahazoan’ny vahoaka fanafody sy fitaovana ara-pitsaboana ara-potoana no iray amin’ireo antoky ny fitsaboana tsara kalitao, dia mitohy mitady vahaolana sy manamafy fiaraha-miasa ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hahatanteraka izany manerana ny Nosy.

Nandritra ny Africa Health ExCon 2026 dia nisy fihaonana stratejika, natrehin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony Dr. Hisham Stait, Filohan’ny Fahefana Ejipsianina misahana ny Famatsiana Iraisana (UPA). Nifantoka tamin’ny fomba hanatsarana ny fahazoana fanafody sy fitaovana ara-pitsaboana ary ny fanamafisana ny rafitra famatsiana izany fifanakalozana izany, mba hahafahan’ireo tobim-pahasalamana mamaly hatrany ny filan’ny mponina.

Anisan’ny vina entin’ny Ministera ny hahatonga ny fanafody sy ireo fitaovana ara-pitsaboana tsara kalitao ho mora azo kokoa mba hampihena ireo sakana mety hahatonga ny tsy fahampiana eny anivon’ny tobi-pahasalamana isan-tsokajiny. Izany dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fikarakarana ny marary, ny fahavononana hiatrika ny hamehana ara-pahasalamana ary ny fanomezana tolotra manakaiky ny filan’ny vahoaka.

Tsy mijanona eo amin’ny fitantanana andavanandro ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa miasa sy mikatsaka hatrany ireo fiaraha-miasa mahomby mitondra vahaolana mivaingana ho an’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka. Satria ny tanjona dia iray ihany : rafitra ara-pahasalamana matanjaka sy tolotra tsara kalitao ahazoana vahoaka salama.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DAMM 25-juin-2026