AMIN’NY FOTOANA REHETRA, EO MANDRAKARIVA NY MPIASAN’NY FAHASALAMANA

Na dia ao anatin’ny fankalazana ny Asaramanitra aza, tsy mitsahatra miasa ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy. Mijoro hatrany izy ireo amin’ny andraikiny, amin’ny fanomezana fitsaboana ho an’ny vahoaka amin’ny fotoana rehetra ilàna azy.

Amin’izao fotoana izao, nisy zazavavy kely iray maratra sady tsy mahatsiaro tena no nentina tao amin’ny CSB II Fanandrana. Efa noraisina sy nahazo fitsaboana vonjy aina maimaimpoana avy hatrany izy, ary eo am-pikarakarana ny famindrana azy ho an’ny Toamasina ho tohin’ny fitsaboana.

Antso : iangaviana ny havany na izay mahafantatra azy mba hanatona haingana ny CSB II Fanandrana.

Manamafy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa eo akaikin’ny vahoaka mandrakariva, amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikany sy mpiara-miasa rehetra manerana an’i Madagasikara.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera.DRSP ATSINANANA 25-juin-2026