FANKALAZANA NY FAHA-66 TAONA FIVERENAN'NY FAHALEOVANTENAN’I MADAGASIKARA 1960-2026
Notontosaina tamin-kafaliana sy tamin’ny fomba manetriketrika teny amin’ny Kianjan’ny BAREA Mahamasina ny lanonana fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny niorenan’ny Foloalindahy Malagasy.
Ny hetsika dia notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Mivady, sady Filoha Faratampon’ny Foloalindahy, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël. Nanotrona izany ireo Mpanolontsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika sy Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, ireo Filohan'Andrimpanjakana, ireo Minisitra mpikambana ao amin'ny Governemanta ary ireo olomboafidy sy olom-boatendry isanam-baratongany.
Tazana tao an-toerana ihany koa ireo solontena ambony avy amin’ny Firenena namana sy vahiny nasaina, fa indrindra ireo Masoivohon'ireo Firenena mipetraka sy misahana ny fifandraisana ara-diplomatika amin'i Madagasikara.
Tsy ambanin'izany rehetra izany ireo vahoaka, anisan'izany ireo mpiasan'ny fahasalamana tonga notarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira.
Nampiavaka ny fankalazana ny matso lehibe nataon’ny Foloalindahy Malagasy sy ireo hery velona androany, dia ireo seho an-tsehatra isan-karazany naneho ny firaisankina, ny fitiavan-tanindrazana ary ny fahavononana hiaro sy hanorina an’i Madagasikara amin'izao fotoam-panavaozana izao. Tao anatin'izany ny fisalorana ny fitafy maha MALAGASY, mariky ny lovantsika tamin'ireo Razambentsika, no ireharehantsika fa tsy ambany noho ny hafa izany fomba fitafy izany fa indrindra mampatsiahy fa ny fandrosoana tsy midika fanadinoana ny fototra niaviantsika.
Ity lanonana ity dia fotoana nanamafisana ireo soatoavina fototra iorenan’ny Firenena : ny fahaleovantena, ny firaisankina ary ny fandrosoana. Naneho ihany koa ny fanohizana ny ezaka fanavaozana entina hampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny ho avy.
Aorian’izao lanonana manetriketrika izao dia mbola mitohy ny fankalazana amin’ny alalan’ny seho kanto "podium" lehibe.
Manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka hanatrika sy hiara-hientana amin’ny alalan’ny hira sy seho isan-karazany, hanehoana ny hafaliana sy ny firaisankina amin'izao Asaramanitra izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 26-juin-2026