FANAMARIHANA NY FAMARANANA NY TETIKASA

Tontosa androany tao amin'ny Novotel Ivandry ny lanonana fanamarihana ny famaranana ny Tetikasa "Ambina ho an'ny Fahasalamana iray" na PPSB/TAFARAY.

Tetikasa naharitra efataona izay nitondra fandrosoana lehibe teo amin'ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara.

Anisan'ny zava-dehibe tao anatin'izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo ivon-toeram-pampiofanana manerana ny Nosy.

Nohavaozina sy novatsiana fitaovana tao amin'ireo "Instituts de Formation Interrégionaux de Paramédicaux (IFIRP)" miisa enina, ary nohamafisina ihany koa ireo laboratoara sy ivon-toeram-pikarohana hanatsarana na teo amin'ny sehatry ny fahasalamana izany na ny resaka fikarohana, izany moa nanova ny kalitaon'ny fampianarana sy ny fikarohana ara-pahasalamana amin'ny fomba miabo hatrany. Etsy ankilany, nahazo fanavaozana sy fitaovana maoderina ireo Tobim-pahasalamana fototra maro, ka nahafahana nanatsara ny fandraisana sy ny fikarakarana ireo marary eny ifotony. Maneho mazava izany fa nametraka ny fahasalaman’ny vahoaka ho laharam-pahamehana ny Tetikasa.

Nandritra izany dia niara-niasa akaiky ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Minisitera voakasika, niaraka tamin'ny fanohanan'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Global Financing Facility (GFF). Vokatry ny fiaraha-mientana dia voapetraka ireo fototra maharitra hanatsarana ny kalitaon'ny fahasalamana sy hanamafisana ny fahavononan'ny firenena hiatrika ireo olana ara-pahasalamana.

Anisan'ny zava-bita ihany koa ny fametrahana ny "plateforme One Health", sehatra iray mampivondrona ny fahasalaman'ny olombelona, ny fahasalaman'ny biby ary ny fiarovana ny tontolo iainana ao anatin'ny vina iraisana.

Fehiny dia nandritra ny fe-potoana nanatanterahana ny tetikasa dia maro ireo zava-bita lehibe sy voarakitra, izay samy nitondra fandrosoana ho an'ny sehatry ny fahasalamana amin'ny ankapobeny.

Ireo vokatra azo ireo dia porofon'ny fahombiazan'ny fiaraha-miasa sy ny finiavana iombonana hanorina rafi-pahasalamana matanjaka, mahomby ary maharitra ho tombontsoan'ny Malagasy rehetra.

Nanome voninahitra ny lanonana famaranana amin'ny fomba ofisialy ny Tetikasa PPSB, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, naneho fankasitrahana ho an'ny Banky Iraisam-pirenena sy GFF ary ireo mpiara-miombon'antoka Izy amin'ny anaran’ny Governemanta Malagasy, ary nanamafy fa vonona hatrany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka hametraka fanamby iombonana ho an'ny fanolorana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny vahoaka malagasy tsivakivolo.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 29-juin-2026