AKON’NY FANKALAZANA NASIONALY NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FANDRINDRANA FIAINAM-PIANAKAVIANA
Tsiroanomandidy-Faritra BONGOLAVA- 04 Octobra 2024
Laharam-pahamehana napetraky ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara amin’izao fe-potoana faharoa itondrany ny firenena izao ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana
Ny Governamanta izay tarihin’ny Praiminisitra, NTSAY Christian dia samy mandray izay tandrifiny amin’ny fanatanterahana izany politikam-panjakana izany.
Tanjona ny hampirindra ny fiainam-pianakaviana mba ahafahan’ny isan-tokantrano manantena hanana ho avy mamiratra.
Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihan'ny Profesora RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo dia midina ifotony mandresy lahatra ny vahoaka amin’ny tokony hirosoany amin’izany.
Tamin’izao fidinana tany Tsiroanomandidy, renivohitry ny Faritra Bongolava izao dia maro ny vahoaka no resy lahatra ary misafidy sy manapa-kevitra amin'ny fandraisana andraikitra ny hoaviny.
Nanatrika izany ireo olom-boafidy sy olom-boatendry tany an-toerana
nandritra ny Fankalazana nasionaly ny 04 oktobra 2024 lasa teo.
"Safidiko, fanapahan-kevitro"
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
SCM/DIRCOM 04-oct.-2024