ANDIANY “VINA” : MPIOFANA 91 NO NAHAZO MARI-PANKASITRAHANA TAORIAN’NY FAMARANANA NY FIOFANANA
29 jona 2026 – Institut National de Santé Publique et Communautaire (INSPC), Mahamasina
Notanterahina androany ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana andiany “VINA”, izay nahavita ny fiofanana natokana hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Miisa 91 mianadahy ireo mpiofana avy amin’ny Faritra samihafa manerana an’i Madagasikara nahavita soa aman-tsara ireo lalam-piofanana dimy dia ny : Master Management en Santé, Master en Promotion de la Santé, Master en Nutrition, Master Infirmier Anesthésiste et Réanimation, Master en Gestion des Urgences et Catastrophes.
Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpiofana ho fanehoana ny ezaka sy ny fahavononana nasehony nandritra ny fiofanana, izay natao hanomanana azy ireo amin’ny fiatrehana ireo fanamby ara-pahasalamam-bahoaka.
Ny andiany “VINA” na “Vision Impact Nation Action” dia mikendry ny hampivelatra ireo fahaiza-manao matihanina sy hanamafy ny fahafahan’i Madagasikara miatrika ireo hamehana ara-pahasalamana, amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fahalalana sy traikefa norantovina. Fiofanana manaraka fenitra sy mifanaraka amin’ny filàn’ny Firenena amin’ny fanamafisana ny rafitra fiomanana ary fiatrehana ireo valanaretina. Ireo mpiofana nahazo diplaoma ireo dia efa vonona hampita sy hampihatra avy hatrany ny fahaiza-manao azony, ho fanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana sy ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitrin'ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, ny solon-tenan'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikaroana ara-tsiantifika, ny Filohan'ny Filankevim-pitantanana sy ny Tale Jeneralin'ny INSPC, ary ireo Tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 29-juin-2026