MIARA MIENTANA HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA CARAVANE DU SOURIRE

Faritra 3 eto Madagasikara no hisitraka ny andiany voalohany

Ny Fitondram-panjakana dia mametraka mazava fa ny Fahasalamana dia Zo fototra ho an'ny rehetra. Anisan'ny fanomezan-danja ny Zo sy ny maha Olona ny fisian'ity "Caravane du sourire" ity, satria tena misy fiantraikany amin'ny fiainana an-davanandron'ny mponina.

Niainga omaly araka izany ny hetsika hizotra mankany amin’ny tapany Atsimo ny Nosy : Ambohibary/Antsirabe II, Andranomafana/Betafo, Manorosoa/Ambositra, Kianjandrakefina/Ambositra, Manakara ary Ivato/Vohipeno izay hanampy sy hanao tantsoroka ny asa sy ny ezaky Fanjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny amin’ny fanolorana ireo tolotra tsara kalitao ho an'ny isam-batan'olona.

Azo antoka fa Vahoaka aman'arivony no hahazo tombontsoa eo amin'ny fisitrahana, ny fitsaboana ireo tolotra ara-pahasalamana mandritran'ny fandalovan'ny "Caravane du Sourire".

"Ny tao-trano tsy hefan’ irery" ary ny "Miasa miaraka no ahafahana manasitrana ny Firenena".

Ny "Fondation Atlantic Group" aty Afrika no namolavola ity hetsika ara-tsosialy ity ary ny "AFG Assurance" kosa no mandrindra ny fanatanterahana izany, izy ireo, izay miara miasa akaiky amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka toy UNFPA sy FISA ny amin'ny fanolorana izany Zo fototra izany ho an'ny vahoaka Malagasy raha ity caravane du sourire ity no resahana.

Mifandraika tanteraka amin'ny vina napetraky ny Minisiteran'ny Fahasalamamam-bahoaka ny hetsika, izay hita fa mamaly ny hetahetan'ny vahoaka izay misy ny fasahiranana manantona ny Tobim-pahasalamana eny ambanivohitra eny.

Hampihena ny fandaniana ara-bola ho an'ny isan-tokantrano ihany koa satria maimaimpoana avokoa ireo tolotra rehetra entina amin'izany.

Tsiahivina fa mifameno tanteraka amin'ny andraikitra an-davanandro ao amin'ireo tobim-pahasalamana fototra mijoro any ifotony izao hetsika izao, satria tolotra ara-pahasalamana vitsy sy mijery ny tanora sy ny vehivavy no entin'ity hetsika ity toy fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana, ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ary ny fanentanana sy fiarovana ary ny fandraisan-tanana ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy sy maha vavy.

Fantatra nandritra ny lanom-panokafana fa andiany voalohany araka izany no tanterahana amin'ity indray mitoraka ity, fa mbola hoavy ihany koa ny andiany manaraka ho an'ireo Faritra hafa.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 02-juil.-2026