FANAMAFISANA NY FIAROVANA ARA-PAHASALAMANA : NANKATOAVINA IREO ANTONTAN-TARATASY FEHIZORO SY DRAFITRA FANATANTERAHANA NASIONALY

Notanterahina omaly tao amin'ny Ibis ny 30 jona ny atrikasa nasionaly fanamarinana ireo antontan-taratasy stratejika sy ara-pampiharana momba ny fiomanana sy ny famaliana ny hamehana ara-pahasalamana, ny ady amin’ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody (RAM) ary ny fanamafisana ny fomba fiasa une seule santé (One Health) eto Madagasikara.

Natao ity atrikasa ity hanamarinana amin’ny fomba ofisialy ireo antontan-taratasy novolavolaina sy nohavaozina, izay ho fitaovana fototra amin’ny fisorohana, fitiliana ary famaliana ireo loza sy hamehana ara-pahasalamana. Tafiditra ao anatin’izany ny fiatrehana ireo aretina sy valanaretina toy ny COVID-19, Mpox, Ebola, Hantavirus, ireo aretina zoonotika ary ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody (PAN-RAM).

Manoloana ireo fanamby ara-pahasalamana mitombo maneran-tany, dia manamafy hatrany i Madagasikara ny fahavononany amin’ny fanatsarana ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra fahasalamam-bahoaka, biby ary tontolo iainana, mifanaraka amin’ny fomba fiasa One Health sy ny fenitra iraisam-pirenena RSI.

Ho an’ny vahoaka Malagasy, ireo antontan-taratasy voamarina ireo dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fahavononan’ny rafitra ara-pahasalamana, hahafahana mamaly haingana sy mahomby ireo hamehana ara-pahasalamana, ary hanamafy ny fiarovana ny fahasalaman’ny mponina manerana ny Nosy.

Naneho fankasitrahana ireo Mpiara-miombon’antoka Ara-bola sy Ara-teknika ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa nahafahana nanatanteraka izao dingana lehibe izao, anisan’izany ny fanohanan’ny OMS tamin’ny alalan’ny tetikasa PPSB.

Nanamafy ny fahavononany hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hanohy ny ezaka amin’ny fanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana, ny fiomanana sy ny famaliana ny hamehana, ary ny fanamafisana ny rafitra One Health eto Madagasikara.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 02-juil.-2026