FIHAONAN’NY GOVERNEMANTA SY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA : NANOMBOKA NY FAMETRAHANA FANONTANIANA SY FANAMARIHANA

Tsimbazaza – Alakamisy 02 Jolay 2026

Mitohy etsy amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny fihaonana eo amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka, araka ny voalazan’ny Lalàm-panorenana. Manatrika izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Ity fihaonana ity dia sehatra iray hanatanterahana ny tamberin’andraikitry ny Governemanta eo anatrehan’ny solontenam-bahoaka. Mandritra izany no ametrahan’ireo Solombavambahoaka fanontaniana sy fanamarihana mikasika ny politika sy ny asa tanterahin’ireo Minisitera, ho fanamafisana ny mangarahara sy ny fitantanana manaja ny Lalàm-panorenana.

Notarihin’Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ny delegasionan’ny Governemanta, raha Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny, Filohan’ny Antenimierampirenena, kosa no nitarika ny fivoriana.

Hatramin’izao ora anoratana izao dia mbola mitohy ny fametrahan’ireo Solombavambahoaka fanontaniana sy fanamarihana. Rahampitso kosa no hanomezan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ny valin-teny sy ny fanazavana mifandraika amin’ireo lohahevitra natsangana.

Misongadina amin’ireo adihevitra ny sehatra sosialy, indrindra ny fahasalamam-bahoaka, ny fanabeazana, ny fotodrafitrasa ary ny fampandrosoana eny ifotony, izay maneho ny laharam-pahamehana napetraky ny solontenam-bahoaka ho tombontsoan’ny vahoaka.

Azo harahina mivantana amin’ny haino aman-jery nasionaly RNM sy TVM ny fizotry ny fihaonana.

Ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Governemanta sy ny Antenimierampirenena dia maneho ny fahavononan’ny andrim-panjakana hampanjaka ny mangarahara, hanamafy ny tamberin’andraikitra ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa ho fanasoavana ny vahoaka sy ho fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 02-juil.-2026