FIHAONAN’NY GOVERNEMANTA SY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA : NAMALY NY FANONTANIAN’IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA RAMATOA MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nitohy androany tao amin'ny Lapan'Antenimierampirenena ny fihaonana teo amin'ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka.
Namaly ny fanontanian’ireo Solombavambahoaka Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira teo anivon’ny Antenimierampirenena.
Nandritra ny fivoriana natao androany teo anivon’ny Antenimierampirenena, dia nanome fanazavana momba ireo laharam-pahamehana, ny zava-bita ary ireo fanamby sedrain’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka Ramatoa Minisitra.
Nohamafisiny fa tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana entin’ny Governemanta ny fanatsarana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasam-bahoaka. Notsindriany ihany koa fa ilaina ny fanovana toe-tsaina sy ny fanafoanana ireo fomba fanao tsy mendrika mba hanatsarana ny kalitaon’ny asa ho an'ny fahasalaman'ireo mpiray tanindrazana.
Nambarany fa antoky ny fahombiazan’ireo politikam-panjakana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka. Araka ny nambarany, manana anjara toerana lehibe ireo Solombavambahoaka amin’ny fampitana ny filàna sy ny zava-misy eny ifotony, ka manampy ny Governemanta hametraka vahaolana sy tetikasa mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina.
Nankasitrahany ireo soso-kevitra sy ny fandraisan’andraikitra nasehon’izy ireo, ary nanamafisiny fa hitohy hatrany ny fifampidinihana sy ny fiaraha-miasa ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana manerana ny Nosy.
Nisaotra manokana ireo Solombavambahoaka ihany koa Ramatoa Minisitra noho ny fanohanan’izy ireo tamin’ny fampiakarana ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, izay nahafahana nanatanteraka tetikasa maro. Anisan’izany ny fananganana birao vaovao, ny fanokafana hopitaly mihoatra ny 50 manerana ny Nosy ary ny fahazoan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka "poste budgétaire" miisa 800.
Mikasika ireo fangatahana napetraky ny Solombavambahoaka dia nanome toky Ramatoa Minisitra fa voaray avokoa izany ary hodinihina araka ny laharam-pahamehana sy ny fahafahan’ny Fanjakana manatanteraka azy. Etsy ankilany, niantso ny Solombavambahoaka ihany koa izy mba hanohana ny fampiakarana ny isan’ny "postes budgétaires", manoloana ny hamaroan’ireo matihanina nahavita fiofanana nefa mbola tsy tafiditra amin’ny sehatry ny asam-panjakana, indrindra ireo nahazo diplaoma tao amin’ny IFIRP, ohatra nentiny tamin'izany.
Momba ny fanendrena ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisitera dia nanazava izy fa efa eo am-pandaminana izany.
Ho an’ny famatsiana fanafody kosa dia efa tonga ny ankamaroan’ireo fanafody ilaina ary mitohy ny fanapariahana izany any amin’ireo Tobim-pahasalamana sy Hôpitaly manerana ny Faritra.
Nohazavainy ihany koa fa mitohy ny ezaka ataon’ny Ministera amin’ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo Mpanentana ara-pahasalamana (agents communautaires), izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana eny ifotony.
Mikasika ny ady amin’ny kolikoly, indrindra eo amin’ny fitantanana ny Tombim-pitsaboana sy ny fananam-bahoaka, dia nanamafy Ramatoa Minisitra fa tsy azo ekena velively ny fanodinkodinana na ny fangalarana ny fananam-panjakana. Efa misy ny fanaraha-maso hentitra ataon’ny tompon’andraikitra mba hampanjakana ny mangarahara sy ny fitantanana tsara sy madio.
Farany, mikasika ny "Projet Principauté Monaco", dia nambarany fa miara-mamolavola izany amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny Ministera ary efa eo am-piandrasana ny dingana manaraka amin’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana.
Nifarana tamin’ny fanamafisan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa hijanona ho laharam-pahamehan’ny Governemanta ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo Solombavambahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 03-juil.-2026