FANAMAFISANA NY KALITAON'NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA : FAMPITAOVANA NY LABORATOARA AO AMIN'IREO CHU AO TOAMASINA
Mitohy ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana Malagasy amin'ny alàlan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana manerana an'i Madagasikara. Anisan'izany ny fanolorana fitaovana ho an'ireo laboratoara eny anivon'ny hopitaly lehibe. Nisitraka izany ny CHU Analankininina sy ny CHU Morafeno ao Toamasina.
Vokatra azo tamin'ny alalan'ny Tetikasa PPSB, eo ambany fitantanan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, voarindran'ny UCP ary vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola izao hetsika mafonja ho an'ny fahasalamam-bahoaka izao.
Araho eto ambany ny fintina an-tsary.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : DRSP ATSINANANA - COMM 05-juil.-2026