FANENTANANA HO AN'NY FIOVAM-PITONDRANTENA MANKANY AMIN'NY FIOAVAM-PIAINANA ARA-TSOSIALY, ANTOKA LEHIBE IRAY HO AN'NY FISOROHANA NY ARETINA
Nofaranana tao amin’ny "Le Pavé Antaninarenina" ny fiofanan'ireo mpampiofana, naharitra dimy andro, momba ny Fiovam-pihetsika sy ny fitondran-tena ara-tsosialy (CSC), nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka mivondrona ao amin'ny Tetikasa "WISH2".
Natao ity fiofanana ho an’ny mpampiofana ity ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo amin’ny fahasalamana, mba hahafahan’izy ireo mampiroborobo ny fiovam-pitondrantena sy fiovam-piainana ara-tsosialy, izay hitondra vokatra maharitra eny amin'ny fiaraha-monina.
Nohalalinina ihany koa ny teknikan'ny serasera sy fanentanana mahomby, ny fitarihana fiofanana ary ny paikady hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny fiarahamonina.
Nofaranana tamin’ny fanombanana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao voarain'ireo mpiofana izany, narahin’ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahafeno ny fepetra.
Nandritra ny lanonana famaranana dia nampahatsiahivina fa ny fiovam-pitondrantena sy fiovam-piainana ara-tsosialy dia miainga amin’ny tsirairay. Nasongadina ihany koa ny maha zava-dehibe ny fananana toe-tsaina manetry tena sy vonona hianatra hatrany, mba hahafahana mitondra fiovana sy mitaona ny mpiara-belona hanaraka izany.
Izao ezaka izao dia vokatra azo tamin'ny fiaraha-mientan'ireo Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana (DPS), ny Fampiroboroboana ny Fahasalaman'ny Fianakaviana (DSFA), ny Fitaleavan'ny Serasera (DirCom) ary ireo mpiara-miombon'antoka ao amin'ny WISH2. Tanjona iombonana ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra sy ny fikarakarana ara-pahasalamana atolotra ny vahoaka, ary indrindra ny fanentanana mifototra amin’ny filàn’ny fiarahamonina ho fisorohana ny aretina isan-karazany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 05-juil.-2026