FANAMAFISANA NY FISOROHANA NY VALANARETINA MPOX

Ivato – Direction du Programme Élargi de la Vaccination (DPEV)

Fantatsika tsara fa ny vaksiny no iray amin’ireo fiarovana mahomby indrindra hisorohana ny fiparitahan’ny Mpox.

Manoloana ny ady atao amin’ny valanaretina Mpox, dia efa misy paikady maro napetraka toy ny fanentanana eny amin’ny toerana be olona, tsena, “gare routière”, fiangonana ary sekoly.

Ankoatra izany dia napetraka ihany koa ny vaksiny ho fisorohana ho an’ny isam-batan’olona, izay efa zaraina sy azon’ny rehetra idirana amin’izao fotoana izao.

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny Mpox. Androany alahady 5 jolay dia tonga soa aman-tsara ao amin’ny Toeram-pitehirizana vaksiny ao Ivato ny vaksiny andiany faharoa azon’i Madagasikara.

Ity vaksiny ity dia Imvanex, mitovy amin’ilay efa nampiasaina teo aloha. Manodidina ny 30 000 fatra no voaray, izay afaka mahatratra hatramin’ny 150 000 fatra raha zaraina, ka ahitana ireo efa nahazo fatra voalohany sy ireo hanao fatra faharoa.

Haparitaka manerana ny Nosy ity vaksiny ity, ary afaka misitraka izany ny vahoaka rehetra, indrindra ireo sokajin’olona marefo sy ireo mpisehatra amin’ny asa mitaky fifampikasohana na fivezivezena amin’ny faritra maro, ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.

Andriamatoa Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no nitarika ny delegasiona nandray ny vaksiny, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony sy ireo mpiara-miombon’antoka.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanamafy ny antso ho an’ny vahoaka Malagasy ny Sekretera Jeneraly amin’ny fanomezan-danja ny fanaovana vaksiny, satria ampy tsara ho an’ny rehetra ireo fatra misy.

Misaotra ireo mpiara-miombon’antoka (OMS, CDC, UNICEF, Gavi) ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny ady atao amin’ny Mpox.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 05-juil.-2026