MIARA-MIENTANA AO ANATIN’NY “ONE HEALTH” HO FIAROVANA NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA
Ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana dia mifamatotra. Izany no maha-zava-dehibe ny fomba fiasa “One Health” na fahasalamana tokana mampifandray ireo sehatra ireo.
Noho izany indrindra dia nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra voakasika. Tontosa ny 03 jolay 2026 tao amin’ny DVSSER Mahamasina, tao amin’ny efitrano fivorian’ny plateforme One Health, ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra amin’ity tetikasa ity, izay notarihin’Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Heritiana Joël, Sekretera Jeneralin’ny Governemanta sady filohan’ny Comité de Pilotage One Health.
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Nandinihana nandritra izany ny fandrosoan’ny fampiharana ny fomba fiasa One Health, ireo fanamby mbola misy, ary ireo laharam-pahamehana amin’ny fanamafisana ny fisorohana, ny fahavononana ary ny fiatrehana ireo hamehana ara-pahasalamana.
Nohamafisina fa ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra no antoky ny fahombiazan’ny ady amin’ireo aretina mety hifindra avy amin’ny biby mankany amin’ny olombelona, ary ireo loza hafa mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny vahoaka.
Manohy manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra rehetra ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, mifanaraka amin’ny vina “One Health”, mba hiantohana ny fahasalaman’ny vahoaka sy hananganana rafitra ara-pahasalamana matanjaka manoloana ny hamehana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 06-juil.-2026