TOLO-TANANA ARA-PAHASALAMANA MANATONA NY VAHOAKA
04 – 05 Jolay 2026 | Tsiroanomandidy Fihaonana
Notanterahin’ny Holafitry ny Infirimiera sy ny Rasazy, niaraka tamin’ny Kaominina Tsiroanomandidy Fihaonana, ny hetsika tolotra ara-pahasalamana midina any amin'ny fiaraha-monina. Tao amin’ny Fokontany Morafeno Avaratra sy Ambarivatry no nanaovana izany, ka nahafahan’ny mponina nisitraka maimaimpoana tolotra ara-pahasalamana maro samihafa.
Ireto avy ireo tolotra natolotra tao anatin'izany :
- Didipoitra (circoncision),
- Fanatanterahana vakisiny,
- Fizarana Vitamine A,
- Fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo,
- Fitiliana VIH, tazomoka ary aretina hafa,
- Tolotra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Ity hetsika ity dia mifanaraka amin’ny politikan’ny fahasalamam-bahoaka mikendry hatrany ny fanamafisana ny zo fototry ny olom-pirenena hisitraka tolotra ara-pahasalamana manara-penitra na aiza na aiza misy azy. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa iombonana no hanatonana bebe kokoa ny vahoaka, ho fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina sy fanamafisana ny fisorohana eny ifotony.
MIASA MIARA-MIASA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary: DRSP BONGOLAVA - COMM 07-juil.-2026