MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MIARA-MIENTANA HO AN’NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA TSARA KALITAO

FAMPITOVIANA NY CHU ANALANKINININA AVY AMIN’NY FANJAKANA JAPONAY (JICA)

Nisitraka fitaovana vaovao ireo sampan-draharaha maro eto anivon’ny Hopitaly Be Toamasina.

Vokatry ny fiaraha-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny JICA Madagascar / JICA ????????? izao fanohanana izao, izay mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana atolotra ho an’ny vahoaka.

Herinandro maromaro talohan’ny fahatongavan’ireo fitaovana ireo dia efa niatrika fampiofanana ireo mpiasa misahana ny fampiasana azy, ary nampiofanina ihany koa amin’ny fikojakojana sy ny fampandehanana araka ny tokony ho izy, mba hiantohana ny fampiasana maharitra sy mahomby.

 

Ity fiaraha-miasa ity dia maneho ny ezaka iombonana amin’ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy ny fanomezana tolotra manara-penitra ho tombontsoan’ny vahoaka.

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP ATSINANANA - COMM 07-juil.-2026