FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA HIAROVANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Faritra Bongolava

Ao anatin’ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fisorohana ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST/VIH) sy ny fampiroboroboana ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana (PF), dia nanolotra kapoty ho an’ny lehilahy (préservatifs masculins) sy takelam-panentanana momba ny VIH/SIDA ho an’ny Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports (DRJS) ny DRSP Bongolava.

Ity hetsika ity dia mikendry ny hanamafisana ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-pahasalamana ho an’ny tanora, amin’ny alalan’ny fanomezana vaovao marina sy fitaovana ilaina amin’ny fisorohana ny IST/VIH ary ny fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana.

Maneho ny fiaraha-miasan’ireo sehatra rehetra eny ifotony miaraka amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izao hetsika izao, izay mifantoka amin’ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny tanora. Ny fanamafisana ny fanabeazana ara-pahasalamana ho an’ny tanora dia anisan’ny antoky ny fanorenana firenena salama sy matanjaka.

 

Marihina fa manana sampana miandraikitra ny fahasalaman’ny tanora sy ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana ny Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports (DRJS), izay miara-miasa akaiky amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana ireo hetsika fanentanana sy fisorohana

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary: DRSP Bongolava 08-juil.-2026