FOTODRAFITRASA HO AN’NY VAHOAKA / FITOKANANA NY TRANO VAOVAO NY CSB I AMBATOMAINTY NORD

Ambatomainty Nord – Distrikan’i Fenoarivobe

Mitohy hatrany ny ezaky ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanamafisana ny fotodrafitrasa sy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, na aiza na aiza misy azy.

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 7 Jolay 2026 ny trano vaovao an’ny Tobim-pahasalamana fototra (CSB I) Ambatomainty Nord, izay vokatry ny famatsiam-bola mifototra amin’ny zava-bita na FBP.

Ity fotodrafitrasa vaovao ity dia natao hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo mpisitraka sy hanamafisana ny fahafahan’ny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana manara-penitra. Manamafy ihany koa izany ny fanatanterahana ny zon’ny rehetra hahazo fitsaboana manakaiky azy, indrindra ho an’ireo mponina any amin’ny toerana lavitra.

Nanome voninahitra ny lanonana ireo manampahefana isan-tsokajiny tao amin’ny Faritra Bongolava sy ny Distrikan’i Fenoarivobe, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana, ny Ben’ny Tanàna ary ireo vahoaka mpisitraka.

 

Ity fananganana fotodrafitrasa vaovao ity dia maneho ny finiavana hanakaiky hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ny vahoaka sy hanatsara ny kalitaon’ny fitsaboana eny ifotony.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. 09-juil.-2026