FANOMEZANA SY FAMPITAOVANA HO FANATSARANA NY RAFI-PAHASALAMANA ENY IFOTONY

Ho fanohanana ny fanatanterahana ny asa sy ireo mpiasan'ny fahasalamana misahana ny fandaharan’asa momba ny Fahasalamana Ara-pananahana sy ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana (SR/PF), dia notolorana fitaovana informatika izy ireo. Ireo fitaovana ireo dia natao hanatsarana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny asa, ary koa hanamafisana ny kalitaon’ny tolotra omena eny ifotony.

Nisitraka izany fanohanana izany ny Faritra Menabe sy ireo Distrika Mahabo ary Morondava, ka hanampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny asa sy ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana eny anivon’ny vondrom-bahoaka.

Mankasitraka ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, indrindra ny FISA Madagascar sy ny Tetikasa WISH2, tamin’ny fanomezana izao fitaovana izao izay mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina.

Entanina ny mpisitraka rehetra mba hikajy sy hikojakoja ireo fitaovana nomena, mba hahafahana mampiasa azy ireo maharitra ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana atolotra ny vahoaka.

Ny Fitaleavana ny Serasera.sary : COM DRSP Menabe 09-juil.-2026