FITSIDIHANA SY FIJERENA IREO ASA FANARENANA VITA, TAORIAN'NY FANDALOVAN'NY RIVODOZA GEZANI

Toamasina, Hôpitaly Be (CHU Analakininina)

Ny alin'ny alatsinainy 9 Jolay, rehefa vita ny fivoriana notarihin'Andriamatoa Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, dia nidina nijery akaiky ireo asa fanarenana vita tao amin'ny Hôpitaly Be Toamasina Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira, sy ireo delegasiona niaraka taminy.

Nanotrona azy tamin'izany ny Talen'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao amin'ny Faritra Atsinanana. Nandritra izany ihany koa dia nisy ny fifampizarana nataon-dRamatoa Minisitra tamin'ireo mpiara-miasa tao amin'ny CHU-AT. Nisongadina tamin'izany ny fijerena ireo ezaka sy asa fanarenana efa vita, izay niarahana nisalahy tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ho fanarenana ny hopitaly.

Ny hafatra mafonja nentin-dRamatoa Minisitra dia ny hoe mila miara-mientana isika, hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja, mba hanafainganana ny asa rehetra mifandraika amin'ireo toromarika napetraka, ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka ao amin'ny Faritra Atsinanana sy ny manodidina.

Ny Fitaleavana ny Serasera 10-juil.-2026