Varavarana Misokatra teo anivon’ny Hôpitaly CHU Anosiala
Araka ny fanao isan-taona dia notanterahina ny 08 sy 09 Jolay 2026 ny Varavarana Misokatra teo anivon’ny Hôpitaly CHU Anosiala.
Fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny daholobe no notanterahina nandritra ny roa andro.
Tolotra maro no natolotra tamin’izany, dia ny:
- Fandidiana goitre;
- Fizaham-pahasalamana ankapobeny;
- Fitiliana diabeta sy tosi-drà avo;
- Fizaham-pahasalamana ho an’ny zaza;
- Fitiliana ny areti-maso sy ny glaucome ary fizarana solomaso;
- Fizahana lamosina mibiloka;
- Torohevitra momba ny fahasalaman’ny hazon-damosina;
- Fijerena sokajin-drà sy fanomezan-drà;
- Fitsirihana homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza;
- Fanalana nify;
- Fitarafana ho an’ny vehivavy bevohoka;
- Fizaham-pahasalamana amin'ny fomba fitsaboana nentim-paharazana sinoa.
Marihana fa misy isan’andro eo anivon’ny Hôpitaly ireo tolotra ireo.
Anisan’ny hôpitaly manana ny lazany ny CHU Anosiala. Tsy tongatonga ho azy izany fa vokatry ny ezaka sy ny fanoloran-tenan’ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana izay nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hampitombo hatrany ny fahafaham-pon’ireo marary. Ho fankasitrahana izany ezaka izany dia nomena mariboninahitra nasionaly ireo mpiasa nahafeno ny fepetra, nandritra ny famaranana ny hetsika ny 10 Jolay.
Niisa 23 ireo nisitraka izany, ka iray no notolorana ny mari-boninahitra "Officier de l’Ordre National" ary 22 no nahazo ny mari-boninahitra "Chevalier de l’Ordre National".
Izao fanolorana mari-boninahitra nasionaly izao dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Hôpitaly, izay nankalazaina vao tsy ela akory.
Ny Lehiben’ny Distrikan’Ambohidratrimo no nitarika ny lanonana ary nanambara fa feno ny fepetra maha-lanonana sivily sy miaramila azy izany.
Nialoha izany dia nisy famelabelaran-kevitra notarihin’ny Médecin Inspecteur, izay natrehan’ireo mpitsabo maro avy amin’ny SDSP Ambohidratrimo.
Etoana dia maneho fisaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana izao hetsika lehibe izao.
Singanina manokana amin’izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.
Ny Fitaleavana ny Serasera 11-juil.-2026