FIZARANA SY FINTINA AN-TSARY NY DIAN-DRAMATOA MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA, NIARAKA TAMIN'NY FITONDRAM-PANJAKANA TAO TOAMASINA

Nitsidika ny Faritra Atsinanana Andriamatoa Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara, Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël mivady. Anisan'ny fandaharam-potoana tamin'izany ny fanomezam-boninahitra ny fanamarihana ny Andro Afrikana iadiana amin'ny Kolikoly sy ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao ho an'ny Biraon'ny Fitaleavam-paritany ny Sampan-draharaha Misahana ny Ady amin'ny Kolikoly (BIANCO).

Tao anatin'izany fitsidihana izany ihany koa no nanaovana sonia tamin'ny fomba ofisialy ny lasitra hanatanterahana ny fiaraha-miasan'ny Fanjakana Malagasy sy ny Orinasa Compagnie Générale d'Hydroélectricité de Volobe (CGHV) amin'ny alalan'ny Tetikasa Volobe II.

Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Filohan'ny Repoblika, Andriamatoa Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, ireo Minisitra mpikambana ao amin'ny Governemanta, anisan'izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira, ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isam-baratongany avy ao amin'ny Faritra Atsinanana sy ny Faritanin'i Toamasina.

Nitohy tamin'ny fitsidihana ny Jirama ny fandaharam-potoana, izay nanolorana ireo groupe électrogène vaovao ho fanohanana ny famokarana herinaratra ho an'ny vahoakan'i Toamasina.

Nandritra izany ihany koa no namelomana indray ny jiro manaingo ny tanàna manoloana ny Hôtel de Ville de Toamasina, taorian'ny fanamboarana ireo fahasimbana navelan'ny rivodoza Gezani.

Tsiahivina fa ireo mpiara-miombon'antoka tahaka ny Compagnie Générale d'Hydroélectricité de Volobe (CGHV), izay miara-miasa amin'ny Fanjakana Malagasy, dia manana andraikitra lehibe amin'ny fampandrosoana eny ifotony.

Maro ireo asa tanterahina ao anatin'izany fiaraha-miasa izany ho fampiroboroboana ny tombontsoan'ny vahoaka, indrindra eo amin'ny sehatry ny fampianarana sy ny fahasalamam-bahoaka.

Ny Fitaleavana ny Serasera 11-juil.-2026