ASA AVY HATRANY HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA : FANARENANA NY LABORATOIRE ACSSQDA TAORIAN’NY RIVODOZA GEZANI

Faritra Atsinanana

Taorian’ny fahavoazana sy ny takaitra navelan’ny rivodoza GEZANI tao amin’ny Laboratoire ACSSQDA, dia niroso tamin’ny asa fanarenana ity fotodrafitrasa ity ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Ankehitriny dia vita tanteraka ny fanarenana ny Laboratoire ACSSQDA, izay natsangana indray araka ny fenitra ahafahany mahatohitra rivodoza sy loza voajanahary mety hitranga. Ity fotodrafitrasa ity dia natao hiantohana ny fitohizan’ny asa sy hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fitiliana ara-pahasalamana.

Hampiasaina amin’ny fanatanterahana ireo fitiliana mifandraika amin’ny sakafo ahiahiana ho misy poizina na mikraoba ny laboratoara, na ho an’ny fanaraha-maso fisorohana mialoha ny fihinanana sakafo izany, na aorian’ny fisian’ny tranga ahiahiana ho fanapoizinana ara-tsakafo.

Ny fisian’ity laboratoara ity dia manamafy ny rafitra fiarovana ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny fiarovana ara-pahasalamana momba ny sakafo.

 

Mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny Banky Iraisam-pirenena (Banque mondiale), izay niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izao asa fanarenana izao ho fanamafisana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana sy fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka.

Ny Fitaleavana ny Serasera 12-juil.-2026