RODORODOBEN'NY FAHASALAMANA 2026 | Manatona ny Vahoaka mitondra tolotra ara-pahasalamana
Tao amin'ny Faritra DIANA, Distrikan'Ambanja, no nanatanterahana ny Rodorodoben'ny fahasalamana 2026, niarahan'ireo mpiasan'ny fahasalamana eo anivon'ny CSB sy ny ekipan'ny EMAD.
Nandritra izany dia notanterahina ny fizahana sy fitsaboana ireo marary, ny fitiliana VIH, ny fanentanana momba ny fahasalamana ary ny famorana faobe.
Marihina fa tao amin'ny CSB Beangona, izay tobim-pahasalamana fototra lavitra indrindra ao amin'ny Distrikan'Ambanja, no nanombohana ity Rodorodoben'ny fahasalamana 2026 ity, ho fanamafisana ny fanolorana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary:DRSP DIANA - COMM. 12-juil.-2026