Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

FANATSARANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA MISY ETO MADAGASIKARA.

Anisan'ny Zo fototra maha olona ny fahasalamana, ka laharam-pamehan'ny Fitondram-panjakana izay tarihan'ny  Andriamatoa filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA hatrany ny fanamafisana sy fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana.

Nisy ny fihaonan'ny Ministrin'ny Fahasalamam-bahoaka  Andriamatoa Pr. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY tamin'ny Tale Jeneralin'ny Management Sciences for Health (MSH) Ramatoa  Marian Wentworth. 

Nodinihana manokana tao anatin'izany ny fanamafisana ireo paik'ady rehetra hanatsarana ny kalitaon'ny fahasalamana misy eto Madagasikara, ary indrindra ny hitondra fampandrosoana ho an'ny Fahasalamam-bahoaka.

SCM/DIRCOM 11-oct.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités