FANAMAFISANA NY FIARAHA MIASA EO AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA MALAGASY SY NY GOVERNEMANTA AMERIKANINA HO FANATSARANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Filatex Ankadimbahoaka | Alatsinainy 13 Jolay 2026
Notanterahina androany ny lanonana ofisialy fanolorana fanampiana avy amin’ny Governemanta Amerikanina ho an’ny Fanjakana Malagasy, ho fanohanana ny ady amin’ny tazomoka sy ny fanamafisana ny paikady fisorohana ary ny fitsaboana ara-pahasalamana manerana an’i Madagasikara.
Andriamatoa Kôlônely Michaël RANDRIANIRINA, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, no nandray tamin’ny fomba ofisialy ireo fanomezana avy amin’ny Governemanta Amerikanina, izay natolotry ny Mpiandraiki-draharaha "Chargé d'affaires" eo anivon’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Andriamatoa Steven BREMNER.
Nanotrona ny lanonana ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ireo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta, isan’izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka toy ny PMI-EVOLVE, GHCS-6 PSM, STRIDES ary MCGL-JhPiego.
Marihina fa ity fanampiana ity dia fanatanterahana mivaingana ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina tamin’ny volana Desambra 2025 teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Governemanta Amerikanina, izay mikendry ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny tazomoka sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka Malagasy.
Anisan’ireo fanomezana natolotra ny lay misy odimoka maharitra miisa 989 250, izay hozaraina maimaim-poana amin’ireo sokajin’olona marefo toy ny vehivavy bevohoka, ny zaza nahavita ny vaksiny VAR2 ary ireo zaza latsaky ny dimy taona tratry ny tazomoka. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fitaovana sy famandrihana Starlink, natao hanamafisana ny fifandraisana sy ny fitantanana ny asa eny anivon’ireo tobim-pahasalamana, ary ny fitaovam-piarovana ho an’ireo mpisehatra amin’ny laboratoire, ho fanatsarana ny fiarovana sy ny kalitaon’ny asa.
Nandritra ny lahateniny, nanamafy Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa laharam-pahamehan’ny Fitondrana ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny fanafoanana ny aretina tazomoka amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fisorohana, ny fitiliana ary ny fitsaboana manaraka ny fenitra. Notsindriany ihany koa ny maha zava-dehibe ny fizarana mangarahara sy mahomby ireo fanomezana mba hahatongavany any amin’ireo tena tokony hisitraka izany sy hampiasana azy araka ny tanjona nametrahana azy.
Ity fanampiana ity dia porofon’ny fahamatorana sy ny faharetan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Governemanta Amerikanina, izay manamafy ny finiavana iraisana hanangana rafitra ara-pahasalamana matanjaka sy maoderina ho antoky ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 13-juil.-2026