NY TANORA TOMPON'ANDRAIKITRA MITONDRA AMIN'NY FAMPANDROSOANA NY FIRENENY - FANAMAFISANA NY TOLOTRA HO AN'NY FAHASALAMAN'NY TANORA
[DISTRIKA IVOHIBE]
Manome lanja ny tanora ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, satria izy ireo no hoavin'ny Firenena sy hery enti-manorina an'i Madagasikara rahampitso. Noho izany dia miezaka hatrany ny Minisitera sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy hanatsara ny fahafahan'ny tanora misitraka tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin'ny filàny, amin'ny alalan'ny Tobim-pahasalamana Fototra Sakaizan'ny Tanora, izay paikady natokana ho an'ny fikarakarana ny fahasalaman'izy ireo eny anivon'ny fiarahamonina.
Ho fankasitrahana ny ezaka sy ny vokatra tsara azo tamin'ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman'ny tanora, dia natolotra ny Tobim-pahasalamana Sakaizan'ny Tanora ao amin'ny CSB KOTIPA sy ny CSB Antambohobe, samy ao amin'ny Distrikan'Ivohibe, ny mari-pankasitrahana sy ireo fitaovana hanohanana bebe kokoa ny asa, taorian'ny tomban'ezaka natao.
Hanampy amin'ny fanamafisana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ny tanora ireo fitaovana ireo, mba hahafahan'izy ireo mitombo ao anatin'ny fahasalamana tsara sy miomana ho olom-banona handray anjara mavitrika amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara.
Ny Fitaleavana ny Serasera 14-juil.-2026