MANAMAFY NY ADY AMIN'NY MPOX NY MINISTERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Vakinankaratra (Antsirabe) | 14 Jolay 2026
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany ny atrik'asa "Revue Intra-Action (RIA)", izay haharitra efatra andro, notarihin'Andriamatoa RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, Tale misahana ny Fisorohana ara-pahasalamana.
Manoloana ny fiatrehana ny valanaretina Mpox, dia manamafy hatrany ny fahavononany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fikarohana sy fampiharana ireo fomba rehetra hanamafisana ny fandraisana andraikitra, ny fandrindrana ary ny fifehezana ny aretina manerana an'i Madagasikara.
Mandritra ity atrik'asa ity dia handinika ireo hetsika efa notanterahina ireo mpandray anjara, hizara ny traikefa sy ny lesona azo raisina nandritra ny valanaretina, hamantatra ireo fanamby mbola ho sedraina, ary hamolavola drafitra iombonana hanatsarana hatrany ny fiatrehana ny Mpox sy ireo hamehana ara-pahasalamana mety hitranga.
Ity atrik'asa ity dia manamafy ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana traikefa eo amin'ireo sehatra rehetra voakasika, ka fototra iray lehibe hananganana rafitra matanjaka, mahomby ary vonona hamaly haingana ireo loza mitatao amin'ny fahasalamam-bahoaka.
Nanome voninahitra ny lanonana ireo manampahefana sivily sy miaramila tao an-toerana sy avy any amin'ny Faritra, ireo tomponandraikitra ambony avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Minisitera mpiara-miasa, ary ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny sehatry ny fahasalamana.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 14-juil.-2026