COMITÉ DE COORDINATION INTER-AGENCE (CCIA) : Fanamafisana ny paik'ady ho fampivoarana ny Programme Élargi de Vaccination (PEV) (Fandaharan’asa momba ny Vaksiny)
Notanterahina tao Ambohidahy ny fivorian’ny Comité de Coordination Inter-Agence (CCIA), teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Ephraïm Stéphanson RANDRIANAMBININA, no nitarika ny fivoriana. Nanatrika izany ihany koa ireo Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ireo Tale isan-tsokajiny, ireo solontenan’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny OMS, UNICEF, GPEI, STRIDES, GAVI, ary ny avy ao amin’ny Masoivohon’i Frantsa.
Nifantoka tamin’ny fanombanana ny zava-bitan’ny Programme Élargi de Vaccination (PEV) ny dinika, niaraka tamin’ny fandinihana ireo fanamby mbola sedraina sy ny fametrahana ireo paik’ady vaovao hampiharina manomboka izao, mba hanamafisana ny fandrakofam-panaovana vaksiny sy hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra omena ny mponina.
Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa iombonana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ao anatin’ny CCIA, ho fanatrarana ireo tanjona napetraka amin’ny Fandaharan’asa misahana ny fanaovana vaksiny. Ny vaksiny dia isan’ireo fomba fisorohana mahomby indrindra amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 15-juil.-2026