FAHASALAMANA HO AN'NY REHETRA : NISITRAKA FIZAHAM-PAHASALAMANA FAOBE NY MPONINA TAO MANDROSOMIADANA
Notanterahina ny 15 Jolay 2026 tao amin'ny Fokontany Mandrosomiadana, CSB Berafia, Distrikan'Antsiranana II, Faritra DIANA, ny fizaham-pahasalamana faobe ho an’ny mponina. Ny mpiasan'ny fahasalamana niaraka tamin'ny Fikambanana "Jardin du Monde" no nanatanteraka izany, ho fanamafisana ny fisorohana sy ny fikarakarana ny fahasalaman'ny mponina.
Nandritra izany dia nomena ireo mpisitraka ny karazana tolotra ara-pahasalamana, toy ny fitiliana ny tosi-drà avo, ny fitiliana VIH ary ny fitiliana diabeta, ankoatra ny fanomezana torohevitra momba ny fisorohana ireo karazan'aretina.
Nohararaotina ihany koa ity hetsika ity hanaovana fanentanana sy fampahafantarana ny mponina momba ny ady amin'ny tazomoka sy ny vaksiny hiadiana amin'ny Mpox, mba hanamafisana ny fisorohana sy hiarovana ny fahasalaman'ny vahoaka.
Mitohy hatrany ny ezaka entin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy amin’ny fanatonana sy fanolorana tolotra ara-pahasalamana ho an’ny isam-batan’olona, indrindra ireo mponina eny ifotony.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary :DRSP DIANA - COMM 16-juil.-2026