FITOKANANA TAMIN’NY FOMBA ÔFISIALY NY TRANOM-PITANTANANA VAOVAO NY BIROA NASIONALY MISAHANA NY FANJARIANTSAKAFO (ONN)
Notanterahina androany ny lanonana fitokanana tamin’ny fomba ôfisialy ny tranom-pitantanana vaovaon’ny Birao Nasionaly misahana ny Fanjariantsakafo (ONN).
Nanome voninahitra izany lanonana izany ny Jeneraly RABEARIMANANA Lucien, Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana ary ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, izay anisan’izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira.
Porofon’ny fanoloran-tenan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo izao fotodrafitrasa vaovao izao. Laharam-pahamehana eo amin’ny Fanjakana ny fanatsarana ny fanjariantsakafo, indrindra amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny fananganana taranaka salama sy matanjaka.
Ho fanamafisana izany vina izany dia efa napetraka ireo paikady maro entina misoroka sy miady amin’ny tsifanjariantsakafo. Anisan’ny fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana ihany koa ny fampitomboana ny tetibolan’ny Birao Nasionaly misahana ny Fanjariantsakafo (ONN), mba hahafahany manatanteraka amim-pahombiazana kokoa ny iraka sahaniny manerana ny Nosy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 16-juil.-2026