JERY TODIKA NY ADY AMIN'NY MPOX FIARAHA-MIENTAN'IREO SEHATRA MAROLAFY ISAN'AMBARATONGANY HO FANAMAFISANA NY ADY AMIN'NY MPOX ETO MADAGASIKARA

Vakinankaratra (Antsirabe) | 17 Jolay 2026

Nofaranana tamin'ny fomba ofisialy androany ny atrik'asa "Revue Intra-Action (RIA)", izay naharitra efatra andro, notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.

Nandritra ity atrik'asa ity dia nanao jery todika ireo asa rehetra efa notanterahina nandritra ny fito volana niadiana tamin'ny valanaretina Mpox ireo mpisehatra rehetra voakasika. Nohamafisina ireo paikady efa nahitana vokatra tsara, ary nodinihina sy nihadian-kevitra kosa ireo lafiny mbola mila hatsaraina ho fanamafisana hatrany ny fahombiazan'ny paikady.

Nifampizara traikefa sy fomba fanao tsara ireo mpandray anjara avy amin'ireo sehatra marolafy isan'ambaratongany, ka nahafahana namolavola drafitr'asa iombonana mifanaraka amin'ny zava-misy eto Madagasikara. Kendrena amin'izany ny hifehezana ny valanaretina Mpox sy ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny.

Nandritra ny lahateniny, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka dia nanamafy fa vonona ny Minisitera handray ireo fepetra rehetra hanatanterahana ireo laharam-pahamehana nivoitra nandritra ny atrikasa. Nanentana ihany koa ireo mpiara-miombon'antoka rehetra izy mba hanamafy hatrany ny fiaraha-misalahy amin'ny ady amin'ny Mpox, ho fiarovana ny fahasalaman'ny vahoaka Malagasy.

 

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 17-juil.-2026