ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY MPOX : FARITRA MENABE

Mitohy hatrany ny fiaraha-mientan'ny sehatra rehetra amin'ny ady amin'ny valanaretina Mpox. Mifameno sy mifanohana amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fanamafisana ny fisorohana sy ny fandraisana an-tanana ny aretina, ho fiarovana ny fahasalaman'ny vahoaka.

Nahazo fanohanana ny Faritra Menabe tamin'ny alalan'ny fanomezana fitaovana fiarovana sy fanentanana, izay ahitana :

  • Aro-vava (masques),
  • Gels hydroalcooliques,
  • Spray désinfectant,
  • Flyers,
  • Takelaka "affiches" ho fanentanana.

Noraisin'ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Menabe, izay nisolo tena ny COUSP, niaraka tamin'ireo ekipan'ny CHRR, tamin'ny fomba ofisialy ireo fitaovana ireo, ho fanamafisana ny hetsika fisorohana sy fanentanana eny anivon'ny fiarahamonina.

Mankasitraka ny CROISSANT ROUGE INTERNATIONAL sy ny CROIX ROUGE INTERNATIONAL amin'izao fiaraha-mientana izao, indrindra amin'ny fanohanana entina hanamafisana ny ady amin'ny Mpox, satria ny fisorohana no antoka lehibe indrindra amin'ny fiarovana ny fahasalaman'ny vahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary :DRSP MENABE - COMM. 18-juil.-2026