FAMATSIANA FITAOVANA VAOVAO HITATERANA SY HITAHIRIZANA VAKSINY. Fanavaozana ny tolotra ara-pahasalamana.
20 jolay 2026, Faritra Boeny
Ao anatin'ny ezaka fanamafisana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fitahirizana vaksiny araka ny fenitra iraisam-pirenena, dia notanterahina ny fanolorana fitaovana "INDIGO"®, fitaovana maoderina fitaterana sy fitahirizana vaksiny novolavolain'ny "EMK TEC", miaraka amin'ny fiaraha-miasan'ny "GAVI" sy ireo mpiara-miombon'antoka. Ny "Global South Health" no mizara azy, ary ny "DCO" no solontena eto Madagasikara izay miara-miasa amin'ny Fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Vata fampangatsiahana "frigidaire" azo averina ampangaina (rechargeable) sy mora entina (portatif) no natolotra, izay manana faharetana mitazona hatsiaka hatramin'ny 5 andro. Tsy mampiasa "gaz" na "glace" izy, tsy mila fikojakojana (sans entretien), ary mahatratra haingana ny maripana takiana hitahirizana vaksiny. Ankoatra izany dia matohitra rano, mitsingevana raha latsaka anaty rano, manana fahafahana 1,7 litatra, ary misy rafitra fanaraha-maso mitohy ny maripana, mifanaraka amin'ny fenitra "OMS/PQS" momba ny kalitao sy ny fiarovana.
Ity fanomezana ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ho fanamafisana ny rojom-pitahirizana (chaîne du froid) ireo vaksiny sy hanatsarana ny fahafahan'ny mpiasan'ny fahasalamana manatitra vaksiny eny amin'ireo Faritra lavitra sy saro-dalana.
Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Fisorohana ara-pahasalamana (DGMP), Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, ny solontenan'ny "GAVI", Andriamatoa Talen'ny Fandaharan'asa misahana ny fanaovam-baksiny (DPEV), ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Boeny, Andriamatoa Talen'ny LA2M, ary ireo tompon'andraikitra sy mpiasan'ny fahasalamana isan-tsokajiny.
MIARA-MIASA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. 21-juil.-2026