FIOFANANA HANAMAFISANA NY BIOSÉCURITÉ SY NY BIOSÛRETÉ AO AMIN'NY

20 Jolay 2026, Mahajanga – Faritra Boeny

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy teto Mahajanga ny atrikasa fiofanana mitohy momba ny biosécurité sy biosûreté, natokana ho an'ireo teknisiana mpiasan'ny laboratoara avy amin'ny faritra Sofia, Boeny ary Betsiboka. Izy ity dia mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manao amin'ny fitantanana ireo loza mety ateraky ny zavamiaina bitika, mifanaraka amin'ny fomba fiasa One Health.

Izao hetsika izao moa dia tanteraka nohon'ny rindran'asa vaofaritra ao anatin'ny fiaraha-miasan'ny Governemanta Malagasy amin'ny alalan'ny "GTT BSS One Health" sy ny Governemanta Amerikanina amin'ny alalan'ny tetikasa STRIDES (Strengthening Infectious disease DEtection Systems).

Manana anjara toerana lehibe ny laboratoara amin'ny fanaraha-maso ny aretina, fitiliana, ary fandraisana andraikitra manoloana ireo loza mitatao ara-pahasalamana. Noho izany dia zava-dehibe ny fanajana ny fepetra momba ny biosécurité sy biosûreté, mba hiarovana ny mpiasa, ny tontolo iainana ary ny fiarahamonina.

Ny tanjona imasoan'ity fiofanana ity moa dia ny ho fanamafisana ny fahaiza-manao ny mpisehatra eo anivon'ny laboratoire mba hahafehy ny fahaiza-mitantana ny risika biolojika mifandraika amin'ny asan'ny laboratoara.

 

Andriamatoa Talen'ny "Laboratoire LA2M", Prof. ANDRIANARIVELO Andry Maharo no nitarika ny fiofanana sy nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy, izay fiofanana eo ambany fiahin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

MIARA-MIASA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 21-juil.-2026