Ny fanatsarana ny Fahasalaman’ny zaza latsaky ny 5 taona, ny reny ary ny zokiolona mihoatra ny 65 taona

FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY FANAOVAM-BAKSINY FAOBE HIAROVANA AMIN'NY KITROTRO SY IHADIANA AMIN'NY POLIO

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tao Ambositra ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana amin'ny kitrotro sy anaovana vaksiny an’ireo zaza tsy mbola vita vaksiny hatrizay na tsy ampy fatra ny vaksiny azony, isan’izany ny fanefitry polio, teo ambany fiahian-dRamatoa Mialy RAJOELINA Reny mpiahy ny fanaovam-baksiny  sy ny Minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka, ny Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny mpitondra fanjakana, olom-boafidy, ary solontenan'ireo mpiara-miombon'antoka.

Tanjon'ny hetsika ny  hampitomboana ny hery fiarovan’ny zaza Malagasy

Hatao manerana ny Nosy izany hetsika izany manomboka ny 15 ka hatramin'ny 19 ôktôbra 2024

maimaim-poana hatrany ny fanaovana vaksiny ny zaza eto Madagasikara araky ny politika ankapoben’ny Fanjakana amin’ny maha laharam-pahamehana ny Fahasalamana amin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry RAJOELINA

"Ankohonana vita vakisiny, ankohonana salama."

SCM/DIRCOM 14-oct.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités