Fanazaran-tena ara-tahaka ho fanamafisana ny fiarovana sy ny fiomanana ara-pahasalamana ho an'ny tranga ahiana ho Ebola eny amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato.

FARITRA ANALAMANGA - IVATO

Tontosa ny andron'ny 21 Jolay ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanazaran-tena ara-tahaka (Exercice de simulation - SIMEX) momba ny fitantanana tranga ahiahiana ho aretina Ebola ataon’ireo mpiantsehatra rehetra eny anivon’ny varavarana fidirana iraisam-pirenena izay haharitra mandritra ny 3 andro.

Nanome voninahitra ny fotoana Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, notronon'ireo Tompon'andraikitra ambony avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiara-miombon'antoka isan-tsokajiny.

Nandritra ny andro voalohany dia nisy ny fanomanana niarahan’ireo mpiantsehatra sy ireo sampan-draharaha rehetra voakasika mba handrindrana ny fomba fiasa, hanazavana ny andraikitry ny tsirairay mandritra ny fanazaran-tena, fa indrindra nandrindrana ny fandaharam-potoana rehetra mifanaraka amin'ny hetsika izay hatao.

Nahampafantarina nandritra izany ihany koa ny mikasika ny aretina Ebola amin’ny ankapobeny ary ny antony hanaovana izao fanazaran-tena izao izay takin’ny fenitra iraisam-pirenena (Règlement Sanitaire International - RSI).

Taratra amin’ny fahavitrihan’ireo sampan-draharahan’ny fahasalamana, tompon’andraikitry ny seranam-piaramanidina, ny mpitandro filaminana, ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka, sy ireo mpiantsehatra maro samihafa ary ireo mpiara-miombon’antoka ny fahavononana hiaro sy hanamafy hatrany ny fiarovana ara-pahasalamana eto Madagasikara.

Izao hetsika izao moa dia tanteraka nohon'ny fiaraha-miasan'ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta Amerikanina amin'ny alalan'ny tetikasa STRIDES (Strengthening Infectious disease DEtection Systems) ary koa ny fanohanan’ny IOM Madagascar & Comoros.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 22-juil.-2026