Ady amin'ny VIH/Sida sy fijerena ny maha olona : Fanamafisana ny fanaraha-maso ireo marary manaraka fitsaboana

Nokarakaraina androany, 21 Jolay 2026, ny fivoriana fandrindrana ho fampiharana ireo tolo-kevitra nateraky ny valin’ny fanombanana ny isan’ireo olona mitondra ny VIH/Sida (Personnes Vivantes avec le VIH) manaraka fitsaboana sy mihinana "ARV" eto Madagasikara.

Nandritra ity fivoriana nokarakarain’ny Fandaharanasa Nasionaly miady amin’ny Aretina azo avy amin’ny Firaisana Ara-nofo sy Sida (PNLS), eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, no nifampizarana ireo paikady entina hanatsarana ny fanaraha-maso sy ny fikarakarana ireo olona miaina miaraka amin’ny VIH/Sida.

Nasehon’ny fanadihadiana fa maro ireo marary voasokajy ho very (perdus de vue) sy tsy tafiditra anatin'ny antontanisa, nefa tokony mbola hanohy ny fitsaboana. Noho izany dia ilaina ny fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fandraketana an-tsoratra tsotra sy mazava ireo lisitry ny marary sy ireo tokony hanohy ny fitsidihana ara-pahasalamana ary ny fandraisana fanafody.

Ny fivoriana dia nifantoka tamin’ny fitadiavana sy famerenana ireo marary tsy hita intsony (perdus de vue) ao anatin’ny rafitra, mba hahafahan’izy ireo miverina mahazo fitsaboana sy fikarakarana mitohy.

Tanjon’izany ihany koa ny hanatsarana ny kalitaon’ny angon-drakitra sy hametrahana rafitra mahomby kokoa amin’ny fanaraha-maso ireo olona miaina miaraka amin’ny VIH eto Madagasikara.

Ity ezaka ity dia mitondra anjara biriky amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fandraisana an-tanana sy ny fanohizana ny fitsaboana azy ireo, mifantoka amin'ny zony sy mitsinjo ny maha olona, satria zon'ny tsirairay tokoa ny misitraka fahasalamana sy fitsaboana tsara kalitao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 22-juil.-2026