FANOLORANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TOBIM-PAHASALAMANA FOTOTRA
Natolotra androany Alarobia faha-22 Jolay 2026 tamin’ny fomba ofisialy ny vahoakan'i Betsako ny trano vaovaon'ny Tobim-pahasalamana Fototra (CSB II) Betsako.
Izao fotodrafitrasa izao dia natao hitondrana fanovana sy hiantohana ny zon’ny rehetra hisitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao, izay laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay manao ezaka hatrany mba hanomezana fitsaboana manaraka ny fenitra sy manakaiky hatrany ny vahoaka.
Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Fisorohana ara-pahasalamana (DGMP), Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, ny Solombavam-bahoaka Distrikan'i Mahajanga II, ny Lehiben’ny Distrikan'i Mahajanga II, Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Boeny, Andriamatoa Talem-paritry ny Mponina, Andriamatoa Ben'ny Tanànan'i Betsako, Ramatoa Médecin Inspecteur Mahajanga II, ary ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, indrindra fa ireo mpiasan'ny fahasalamana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary :DRSP BOENY - COMM 22-juil.-2026