MAINTIRANO | TSY HADINO IREO FARITRA LAVITRA : MITOHY NY FIDINANA IFOTONY HO FANATSARANA NY TONTOLON'NY FAHASALAMANA

Tsy misy Malagasy tokony ho tavela an-kilabao amin'ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana mendrika sy tsara kalitao. Izany no antom-pisian'ny fidinana ifotony ataon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, mba hanatsarana hatrany ny kalitaon'ny tolotra sy hampifanaraka izany amin'ny filan'ny mponina manerana an'i Madagasikara, indrindra any amin'ireo faritra lavitra sy saro-dalana.

Vantany vao voaray ny fitarainana sy ny antso momba ny zava-misy ara-pahasalamana tao amin'ny Distrikan'i Maintirano, Faritra Melaky, dia naniraka delegasiona avy hatrany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, hijery ifotony ny tena zava-misy any an-toerana.

Nandritra ny iraka dia notsidihina ny Hôpitaly Manara-penitra, ny CHRR, ny CSBU ary ireo tobim-pahasalamana hafa. Nisy ihany koa ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra tamin'ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo tompon'andraikitra eo an-toerana, mba hahafahana mamantatra ireo fanamby sy filàna tena misy ary manangona vahaolana mifanaraka amin'ny zava-misy.

Efa natolotra an-dRamatoa Minisitra ny tatitra feno sy ireo fanamarihana voaangona nandritra ity iraka ity. Ireo no ho fototry ny fanapahan-kevitra sy ny fepetra horaisina, ho fanamafisana hatrany ny fahazoan'ny mponina tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao, manakaiky azy ary mamaly ny filàny.

 

Ny fahasalaman'ny vahoaka no laharam-pahamehana. Na lavitra aza ny lalana, manakaiky hatrany ny vahoaka ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary:DRSP Melaky - com 23-juil.-2026