FANAMAFISANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA HO AN'NY FITSABOANA TSARA KALITAO - FIARAHA-MIENTANA AMIN'NY MPIARA-MIOMBON'ANTOKA FIFANAMPIANA CENTRE RASSOUL AKRAM (FCRA)
[CENTRE HOSPITALIER AMENA - ANDAKANA]
Tontosa ny 23 Jolay 2026 ny fametrahana ny vato fototra amin’ny fanorenana ny Hôpitaly vaovao raitra sy maoderina "AMENA", ao amin’ny Fokontany Ambohitrinibe, Kaominina Ambanivohitra Anosiala, Distrikan’Ambohidratrimo.
Ny lanonana fametrahana ny vato fototra dia notarihin’Andriamatoa Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Kôlonely ANDRIAMIHARITSOA Gervais, notronin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, sy Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka, IGP Erick Michel Wouli Soumah Idrissa. Nanatrika izany ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ireo Minisitera roa tonta, ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eo an-toerana, ireo vahoaka mpisitraka ary ireo solontenan’ny FCRA.
Ity Centre Hospitalier "AMENA" ity dia miorina ao anatin’ny "Complexe FCRA" Andakana, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny FCRA. Rehefa vita tanteraka izy dia hanolotra tolotra ara-pahasalamana maro isan-karazany, toy ny fitsaboana maso, nify, ny fikarakarana ny reny sy ny zaza, ireo fizaham-pahasalamana ilain’ny mponina isan’andro, ary hisy ihany koa toeram-pandidiana. Araka ny fanazavan’ny Filoha Tale Jeneralin’ny FCRA, Sheikh Haniphe AKBARALY, dia hiara-hiasa amin’ny Fanjakana ihany koa ny FCRA amin’ny fandraisana ireo mpitsabo hiasa ao amin’ity hopitaly ity.
Nandritra ny lahateniny, ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Kôlonely ANDRIAMIHARITSOA Gervais, dia nanambara fa hiezaka ny hanamora ny fikarakarana ireo antontan-taratasy rehetra ilaina mba hahafahan’ny hopitaly misokatra sy miasa ara-potoana.
Nankasitrahany ny fanohanan’ny FCRA sy ny fiaraha-misalahy asehony amin’ny fanamafisana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an’ireo mponina sahirana, satria zon’ny rehetra ny misitraka tolotra ara-pahasalamana manara-penitra na aiza na aiza misy azy.
Nambarany ihany koa fa natao ho an’ny sarambaben’ny vahoaka ity hopitaly ity, ka tsy hisy fanavakavahana amin’ny fandraisana ireo mpisitraka, fa hisokatra ho an’ny rehetra.
Taorian’ny fametrahana ny vato fototra dia hanomboka avy hatrany ny asa fanorenana, izay vinavinaina ho vita ao anatin’ny 12 volana.
Marihina fa nisitraka paositra ho an’ny polisy (poste de police) ihany koa ny mponina ao amin’ity toerana ity, izay notokanana tamin’io fotoana io ihany. Maneho ny fandraisan’andraikitry ny FCRA amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina izany, amin’ny alalan’ny fanohanana ny fanabeazana, ny fampiofanana, ny fikarakarana ireo ankizy kamboty, ny fanamafisana ny filaminana ary ny fananganana fotodrafitrasa ara-pahasalamana lehibe ho tombontsoan’ny vahoaka rehetra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 23-juil.-2026