MPOX : NISITRAKA FITAOVANA HANAMAFISANA NY FISOROHANA EO ANIVON’NY TOBIM-PAHASALAMANA NY FARITRA ATSIMO ANDREFANA

Ho fanamafisana ny fisorohana sy ny fifehezana ny valanaretina Mpox, dia nisitraka fitaovana fanasana tanana (DLM), fitaovana ho an’ny fahadiovana (kits WASH) ary fitaovana fiarovana manokana (EPI) ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Andrefana. Fanohanana avy amin’ny Croix-Rouge Malagasy ireo fitaovana ireo.

Hozaraina amin’ireo tobim-pahasalamana ao amin’ny Distrikan’i Toliara I sy Toliara II, ary koa ao amin’ny CHU Mitsinjo Betanimena sy CHU Antanambao ireo fitaovana ireo, mba hanamafisana ny fahadiovana sy ny fampiharana ireo fepetra fisorohana ary fifehezana ny areti-mifindra eny anivon’ny toeram-pitsaboana.

Ity fanohanana ity dia hanampy amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa ao amin’ireo tobim-pahasalamana, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanasana tanana, ny fanadiovana ny toeram-pitsaboana ary ny fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny marary. Hanampy amin’ny fampihenana ny mety hiparitahan’ny aretina Mpox sy ireo areti-mifindra hafa ihany koa izany.

Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia maneho ny fankasitrahany ireo mpiara-miombon’antoka aminy, indrindra ny Croix-Rouge Malagasy, noho ny fiaraha-miasa sy ny fifanampiana mitohy amin’ny fanamafisana ny paikady momba ny fahadiovana sy ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka.

MIARA-MIASA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera.DRSP ATSIMO ANDREFANA - COMM. 25-juil.-2026